Andoharanofotsy : Nohavaozina hanara-penitra ny EPP, hahazo kianja filalaovana baolina kitra
- vendredi, 17 mars 2023 06:48
- Sary nindramina
Raha efitrano fianarana miisa roa no nandraisana mpianatra 400 mahery hatrizay, tao amin'ny EPP Mahabo, Kaominina Andoharanofotsy, Distrika Antananarivo Atsimondrano, dia nohavaozina ho EPP Manara-penitra izany ankehitriny, ary notokanan' ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy 16 martsa 2023.
Nisitraka fanomezana avy amin'ny ONG Samaritan’s Purse ihany koa ireo ankizy mpianatra ao amin'ny EPP Mahabo. Ireo ankizy telo voalohany isaky ny kilasy kosa, dia notolorana bisikileta isanisany avy.
Hatsangana ao Iavoloha Atsimondrano ihany koa ny kianja manara-penitra ho an’ny kitra. Napetraka ny andron'io koa ny vatofototra ho fanombohan'ny asa fanamboarana.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
https://gasypatriote.com/vaovao/item/29385-andoharanofotsy-nohavaozina-hanara-penitra-ny-epp,-hahazo-kianja-filalaovana-baolina-kitra.html#sigProGalleriacec92a342a
https://gasypatriote.com/vaovao/item/29385-andoharanofotsy-nohavaozina-hanara-penitra-ny-epp,-hahazo-kianja-filalaovana-baolina-kitra.html#sigProGalleriacec92a342a
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.