Zotra FCE : Voaloa ny karaman’ny mpiasa roa volana, miandry ny fiverenan’ny lamasinina ny olona

  • jeudi, 16 mars 2023 18:33
  • Sary nindramina

Tontosa ny 10 martsa sy 11 martsa 2023 teo ny fandoavana ny karama roa volana, ho an’ireo mpiasa eo anivon’ny FCE any Fianarantsoa (Vohimasina, Ampitambe, Ranomena), ireo toerana antenatenany (Andranovato, Madiorano, Tolongoina, Amboanjobe, Manapatrana) ary Manakara (Manakara, Soasinaka, Miziko).

Maro ny fehin-kevitra nivoitra tamin’ny dinika nifanaovana tamin’ireo mpiasa sy tompon’andraikitra eo anivon’ny FCE ny 23 febroary sy 02 martsa lasa teo, ka isan’izany io fandoavana karama roa volana io, izay tafiditra amin’ny famahana ny olana misy eo anivon’ity orinasa FCE zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara ity.

Nampanantena ny hanao izay hamerenana haingana amin’ny laoniny ny fitaterana an-dalamby amin’io zotra io ny fitondram-panjakana. Ela niandrasana izany ny Vahoaka amin’iny Faritra Matsiatra Ambony sy Fitovinany iny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.