Sambo dobo tany Ankazomborona : Miantso fiaraha-miasa amin'ireo olona voavonjy ny fanjakana hamantarana ny marina

  • mardi, 14 mars 2023 12:21
  • Sary nindramina

Nigadona ny marainan'ny alatsinainy 13 martsa 2023, tany Ambilobe, ireo iraky ny Fitondram-panjakana foibe, izay tarihin'ny praiminisitra Ntsay Christian, sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vitsivitsy, hifanome tanana sy hanadihady akaiky ny zava-misy mikasika ny loza an-dranomasina, namoizana ain’olona maro tany Ankazomborona.

Raha ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly maraina dia avotra ny 24 tamin’ireo mpandeha tamin’ilay sambo rendrika, 21 namoy ny ainy, ary 2 mbola karohina.

Nofo mangatsika 19 isa no nampakarin'ireo Tafika Andranomasina ao amin'ny Détachement Naval Nosy-Be, ny 12 martsa 2023, raha nananteraka ny iraka fanavotana ny sambokely tra-doza, tokony ho 6 km miala ny Nosy Faly, mankany amin'ny ranomasina.

Nanetsika ny sambo haingam-pandeha AKIO ny Tafika namonjy ity sambo kely nitondra olona voalaza fa nikasa hiondrana an-tsokosoko atsy amin’ny nosy Mayotte ity.

Naterina tao Ankify ireo razana mba ho raisin'ireo fianakaviana, izay vehivavy 17, ary zaza 02.

Niara-niasa tamin'ny fampitam-baovao tamin'izao vonjy aina izao ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF).

Tsy fatiantoka ara-bola ihany tokoa no voka-dratsin'ny faharendrehan'ny sambo toa ny nitranga, fa loza amin’atambo ny famoizana aina sy ny tsy fananana antoka amin'ny asa fitaterana an-dranomasina.

Mangataka fiaraha-miasa manokana avy amin'ireo olona voavonjy ny fitondram-panjakana mba hifanampy amin'ny fahafantarana ny zava-misy marina, hanafaingana ny fatadiavana vahaolana iatrehana ny tranga sarotra toa izao.

Heno fa hita any Ankazomborona ny iray amin'ireo velona, vehivavy izy io. Izay mety ahitana ny marina amin'ity raharaha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.