RNS 5: Toamasina - Foulpointe : Natomboka ny asa fanamboarana ireo "points noirs"

  • mardi, 22 novembre 2022 11:25
  • Sary MTP nindramina

Ao anatin'ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-5 (RNS 5) mampitohy an'i Toamasina sy Foulpointe ny orinasa WIETC ankehitriny.

Nanatanteraka ny asa fanamboarana ireo "points noirs" ny orinasa, izay natomboka avy any Toamasina sy Foulpointe, mba hampirindra ny fifamoivoizana sy hitsinjovana ireo mpandraharaha mandritra ny taom-piotazana letisia.

Haharitra 12 volana ny asa fanamboarana, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa PDDR "Projet de Développement Durable des Routes" sy ny CERC "Composante d'Intervention d'Urgence et de Contingence", izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola, hanarenana ireo lalam-pirenena simba tao aorian'ny fandalovan'ireo rivodoza nifanesy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.