Mahajanga : Misy mpivarotra manafangaro ny vary gasy sy vary nafarana

  • lundi, 21 novembre 2022 20:16
  • Sary DRICC

Naharay fitarainana ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy fanjifana, na DRICC Boeny, fa misy ireo mpivarotra izay manafangaro ny vary gasy sy vary nafarana.

Nidina nanara-maso tao amin’ny tsena Marolaka ao Mahajanga ny DRICC tamin’ny Alarobia 16 Novambra 2022, notronin'ny lehiben'ny tsena sy solontenan'ny mpivarotra.

Tsikaritra fa manana tahiry vary nafarana ny mpivarotra vary, ary soloin'izy ireo ny gony.

Fitiavan-kely hampitomboana ny tombom-barotra amin’ny hefetsifetsena no mahatonga ireo mpivarotra sasany hanao izany.

Nampitandrina ireo mpivarotra ny tsy hamindra ny vary nafarana anaty gony hafa ny DRICC. Nentanina koa izy ireo hametaka hatrany ny vidin’ny vary sy hanoratra mazava tsara ny karazany.

Rehefa natao ny fanadihadiana dia nanambara ireo mpivarotra fa mpanangom-bokatra any Marovoay no manafangaro ireo vary. Ny ampitson’io ihany, ny Alakamisy 17 Novambra 2022, dia nidina tao Marovoay ny ekipa ho fanaraha-maso ny tahiry sy ny vidim-bary eny amin'ny mpanangom-bokatra sy ireo mpitoto vary.

Tsy nahitana vary nafarana anefa tao amin'izy ireo.

Mbola maro ihany koa ny tahiry ho an'ny vary gasy fa tsy mandeha firy ny tsenan'ny vary gasy amin'izao fotoana izao noho izy somary lafo vidy.

Mitontaly 513,05 Taonina ny tahiry misy ao amin'ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary notsidihina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.