Ambilo Betsiaka : Nitondra fanampiana ho an’ireo may trano ny senatera BESOA Erick

  • dimanche, 18 septembre 2022 19:52
  • Sary nindramina

Tonga nanome fanampiana ireo niharam-boina vokatry ny haintrano tao Ambilo Kaominina Betsiaka, Distrik'Ambilobe, ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona BESOA Erick.

Ireo zavatra ilaina maika, toy ny vilany, sotro, lasety, lamba fitafy, vary, sira ny fanampiana nentiny. Nanotrona azy ny depiote voafidy tao Ambilobe, ny Lehiben'ny Faritra, ny Lehiben'ny Distrika ...

Natao izao ho fanampiana ny samy mpiara-belona, hoy ny senatera BESOA Erick.

Andro ratsy ho an’ny mponina Ambilo, ny zoma 9 septambra 2022. Nirehitra ny tanàna. Trano eninjato tafo mahery no may kila hotohoton'ny afo. Tsy nisy azo noraisina ny ankamaroan'ny fananan'ny olona. Ireto farany izay saika lasa namonjy lanonam-pitokanana ny lalam-pirenena faha-5A avokoa tamin'io andro io.

4500 ny traboina vokatr’izany. Tsy nisy ny maratra, tsy nisy aina nafoy.

Misy amin'ireo traboina no mpandraharaha ara-barotra, ao ny mpitrandraka volamena tsotra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.