RN5A Ambilobe - Vohémar : 450 tapitrisa Ariary hikojakojana azy mandritra ny 5 taona

  • lundi, 12 septembre 2022 19:07
  • Sary : MTP

Notanterahina androany alatsinainy 12 Septambra 2022 tao amin'ny Nova Hotel Ivato ny fifanaraham-pikojakojan-dalana, na "contrat d'entretien routier", ny lalam-pirenena faha 5A (RN5A), mampitohy an'Ambilobe sy Vohémar mirefy 152 km, izay vao avy notokanana tamin'ny 09 septambra 2022 teo.

Fifanarahana izay nosoniavin'ny, HATREFINDRAZANA Jerry minisitry ny Asa Vaventy sy GAO Yunfei Tale jeneralin'ny orinasa CRBC eto Madagasikara.

Araka ny voalaza ao anatin'ny fifanarahana dia haharitra dimy taona ny asa fikojakojana izay mitentina 450 tapitrisa Ariary, ary vatsian'ny fanjakana Malagasy vola amin'ny alalan'ny RPI-n'ny Ministeran'ny Asa Vaventy.

Ny tanjona dia fametrahana paik'ady entina hiarovana ireo fotodrafitrasa sy lalana vao avy namboarina, mba hampateza azy ireny, mandritra ny taona maro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.