Pasitera milaza azy ho profety : Nanolana tovovavy telo, nidoboka eny Antanimora

  • vendredi, 02 septembre 2022 19:28
  • Sary Polisim-pirenena

Lehilahy 34 taona, Pasitera amina fiangonana zandriny iray eto Antananarivo Renivohitra no tonga hatrany amin'ny fanararaotana ara-nofo an' ireo olona mivavaka ao aminy.

Milaza azy ho profety ilay Pasitera ka manaraka sy manaiky azy ny mpino tarititiny.

Tovovavy miisa telo (13, 18, 19 taona) no tonga nanao fitarainana teny amin'ny Polisy. Natao ny fanadihadiana ka, voamarin'ny mpitsabo fa nisy ny fanolanana nahazo ireo tovovavy. Nosamborina avy hatrany ilay Pasitera.

Noho ny fahatahoran'ireto tovovavy an'ilay Pasitera amin'ny maha lehiben'ny fiangonana azy dia tsy sahy niteny izy ireo.
Ankoatra ny asa fanararaotana mahazo azy ireo dia asain'ity Pasitera ity mihira sy mandihy eny amin'ireo toerana be olona ireny izy ireo, ka ny vola azo amin'izany dia lasan'ilay Pasitera avokoa.

Natolotra ny Fampanoavana omaly ity farany, ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.