Tolagnaro : Nalevina ilay trozona maty netin'ny ranomasina teo amorom-pasikin'i Libanona

  • mardi, 02 août 2022 13:06
  • Sary nindramina

Nisy zanaka trozona maty ho azy tany anaty ranomasina, ka nentiny onja, ary tody teo amorom-pasikin'i Libanona Tolagnaro.

Efa nifandrombahan'ny andian'olona nandrombinana izy io.

Nilaza ny fiadidiam-paritry ny fahasalamana, fa tsy azo hanina ny hazandrano maty ho azy.

Nalain'ny manam-pahefana izy io, dia notapatapahina, ary nalevina androany 02 Aogositra 2022. Fiaraha-miasan'ireo hery velona ao Tolagnaro no nanatanterahana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.