FIFAMANOR Antsirabe : Vaky ny "coffre" sy ny fitehirizan'entana

  • samedi, 30 juillet 2022 17:37

Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa FIFAMANOR ao Andranomanelatra Antsirabe II.

Tsy voaloa karama efa amam-bolana maro ny mpiasa.

Fantatra koa izao fa nisy namaky ny alin'ny alarobia hifoha ny alakamisy 28 jolay 2022 teo ny biraon'ny "caisse" FIFAMANOR, ka nataon'ny jiolahy najifa ny tao anaty "coffre" anankiroa.

Vaky koa ny trano fitehirizana entana, ka very tamin'izany ny kodiarana traktera kibota.

Talohan'io dia lasibatry ny mpangalatra ny ovy sy ny katsaka teny an- tsaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.