Fitsarana : Nalefa nody ireo ahiana nangalatra solika Jirama

  • mercredi, 22 juin 2022 15:38

Ny 16 martsa 2022 sy ny 17 aprily 2022, dia nisy fampiasana antota-taratasy sandoka nakana solika ny orinasa iray, izay vadina Solombavam-bahoaka.

64 000l ny gazoala voalaza fa nahodina sy nangalarina, fantatra ny orinasa naka ny entana, fantatra ny mpamily ny fiarabe naka ny solika, ary nanamafy ny orinasa etsy Ambohimanambola, izay mamokatra herinaratra vatsiana ireto solika ireto, fa tsy naharay ny entana izy ireo.

Misy camera rahateo ny toerana, azo anamarinana ny fivezivezen'ny kamio mpanatitra solika.

Nanao fanadihadiana anaty ny Jirama, ka somary naharitra vao nametraka fitoriana.
Natao ny fanadihadiana, ka olona valo no voarohirohy, nalefa teny anivon'ny fampanohavana ny alatsinainy 20 jona 2022 ny raharaha, niaraka tamin'ireo voampanga.

Hita teny an-toerana avy hatrany ilay ramatoa depioté, vadin'ilay misoratra amin'ilay orinasa ahiana naka ilay solika. Niditra biraona mpitsara.

Tsy naharitra ela, dia navotsotra izy valo lahy, ka nahazo fahafahana eo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana (Contrôles judiciaires).

Mazava anefa ny politikam-pitsarana fa rehefa mamofona kolikoly sy halatra mahakasika ny Jirama dia midoboka voatazona vonjy maika avokoa, fa ity farany izay efa vory daholo ny porofo, dia nalefa nody soa aman-tsara.

Raha atao kajy tsotra moa ny 64 000l x 3400ar = 217 600 000ar ny resaka eto, mandritra ny vahoaka Malagasy miaritra ny delestazy noho ny fitsitsiana solika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.