Nosy Be : Nifandona ny mpitandro filaminana sy ireo mitaky ny hamoahana an-dry Ninie Donia

  • mardi, 21 juin 2022 07:38
  • Sary nindramina

Nafanafana tao Nosy Be ny alatsinainy 20 jona 2022. Niverina nidina an-dalambe, sady nilanja sorabaventy niazo ny fonja, ireo andian'olona mitaky ny hamotsorana an'i Ninie Donia sy ireo olona 11 hafa tazomina am-ponja vonjimaika hatry ny herinandro lasa teo noho ny resaka ady tany.

Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana. Nisy ny naratra, nisy ny voasambotra ary nampidirina "violon".

Ny alahady teo ihany koa no nandefasan'ny mpitandro filaminana fiantsoana ny filoha lefitry ny DisTIM Nosy Be, ary dia voatazona atao andrimaso.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.