Delestazy : Naneho ny fialantsiny amin’ny mpanjifa ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Rivo Radanielina

  • mardi, 14 juin 2022 18:30
  • Sary : Odon Marius

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny foiben-toeran’ny JIRAMA Faravohitra ny Tale Jeneralin’ny Jirama Rivo Radanielina androany maraina ny talata 14 jona 2022, nitondra fanazavana ny amin’ny antony mahatonga ny delestazy ankehitriny.

Nambarany fa olana ara-pamatsiana solika no fositr’izao delestazy izao.

Naneho ny fialantsiny amin’ny Vahoaka mpanjifa ny tale Jeneralin’ny Jirama noho izao fotoan-tsarotra lalovan’ny orinasa izao, izay notsindriany kosa anefa fa tsy haharitra izany.

Miezaka mikaro-bahaolana ny amin’izany ny Jirama izao, hoy izy, izay nilazainy fa hihena io fahatapahan-jiro io ato ho ato.

Ho ezahina hamafisina ny fampidiram-bola ao anatin’ny kitapom-bolan’ny JIRAMA manomboka izao, amin’ny alalan’ny fitakiana ireo fakitiora izay mielim-patrana manerana ny Nosy tsy voaloan’ny mpanjifa.

Ezahina tsy hisy kartie iharan’ny delestazy miohatra ny in-droa isan’andro izany intsony.

Ny 25 sy ny 26 jiona dia ho ezahiny tsy hisy ny delestazy manerana an’i Madagasikara.

Mialohan’izao faran’ny volana jiona izao dia afaka mihodina ny gropy faha-3 ao Andekaleka.

Mialohan’ny faran’ity taona ity dia ho tratra ilay fampitombona avo roa heny ny famokarana herinaratra.
Efa ao anatin’ny fananganana ireny tobim-pamokarana amin’ny Angovo azo havaozina manerana ny faritra maro manerana ny Nosy ny Jirama.

Tsy mitsahatra, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, ny fikaroham-bahaolana entina hanavotana an’ity orinasam-panjakana 100% ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.