Fahasalamana : Tanterahina etsy Analakely ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny Mpanome rà

  • mardi, 14 juin 2022 09:30
  • Sary nomena

Atao etsy amin'ny Parvis Analakely anio 14 jona 2022 ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny Mpanome rà.

Ny Centre Régional de la transfusion sanguine Analamanga, misahana ny resaka Fanomezan-drà ho an'ny hopitalim-panjakana, na ireo clinique privée eto Antananarivo sy Manodidina moa no miandraikitra izany, eo ambany fiahian'ny Tale rezionalin'ny fahasalamam-bahoaka, ramatoa RAHARIMAMONJY Laliarisoa sy ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery RASOAMAROMAKA.

Ity hetsika ity dia anentanana ny rehetra amin'ny fanomezan-drà maimaimpoana amonjena ireo izay mila izany.

Ny Centre Régional de la transfusion sanguine Analamanga, dia manome rà ihany koa ireo ivotoerana CRTS hafa manodidina izay mila izany, rehefa tsy manana rà izy ireo.

Atao fitiliana, na analyse, avokoa ny rà rehetra, ary izay rà tsy misy soritr'aretina ihany no zaraina amin'ny marary mila izany, ireo misy aretina kosa dia ariana.

Tsy ambaratelo ny fanomezan-drà, tsy vidiam-bola, tsy terena.
Tsy misy anarana mipetraka izany amin'ny kitapon-drà rehetra, fa numéro unique daholo no hita eny.

Olona feno 18 ka hatramin'ny 60taona no afaka manome rà. Milanja mihoatra ny 50 kg. Atao fizaham-pahasalamana mialoha amin'io fotoana io vao afaka alaina rà.
Afaka manatona eny an-toerana, na eny amin'ny hopitaly lehibe ireo izay te hanome rà.

"Manome rà : hetsika firaisankina, Ndao hiaraka hamonjy aina" hoy ny teny faneva amin'izao andro manerantany ho an'ny Mpanome rà izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.