Fanafainganana ny asa : Nahazo solosaina ireo Fokontany ao amin'ny Boriboritany II Antananarivo Renivohitra

  • jeudi, 19 mai 2022 19:48
  • Sary nomena

Nanolotra solosaina ho an'ireo Fokontany ao amin'ny Boriboritany Faha II Antananarivo Renivohitra, ary koa fitaovana maro samihafa, toy ny "imprimantes" sy "onduleur" ny solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo II, Lanto Rakotomanga.

Nambaran’ity farany fa anisany lesoka mampitarazoka ny asa eny anivon'ny Fokontany sy ny sampandraharaha maro isan-karazany ny tsy fisian'ny solosaina.

Anisany nisitraka fampitaovana ihany koa ny "Commissariat de police" ary Distrika ao amin’ny Boriboritany Faha II, hanamoràna sy hanafainganana ny asan'izy ireo.

“Isika tsy maintsy mifanampy sy mitsinjo hatrany ny Vahoaka”, hoy i Lanto Rakotomanga.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.