Faritra Amoron'i Mania : Fivorian'ny Komity Rezionaly ho amin'ny Fiomanana ny hiatrehana ny Rivo-doza BATSIRAI

  • jeudi, 03 février 2022 14:51
  • Sary nindramina

Notontosaina androany ny fivorian'ny Komity Rezionaly ho amin'ny Fiomanana ny hiatrehana ny Rivo-doza BATSIRAI sy fandraisana ny fepetra rehetra, "Comité Régional de Gestion des Risques et des Catastrophes" (CRGRC), Faritra Amoron'i Mania sy isaky ny Distrika na (CDGRC), izay natao tato anatin'ny Distrika efatra mandrafitra ny Faritra Amoron'i Mania.

Votoatin'ny dinika :
Fiomanana manoloana ny Fiavian'ny Rivo-doza BATSIRAY : izay tombanana ho Rivo-doza tena hahery vaika satria hitondra rivotra mafy sy rotsak'orana maro manomboka ny Zoma, ary hiditra an-tanety ny Sabotsy ;

Arak'izany, ny Faritra Amoron'i Mania dia efa tafiditra tanaty Filazàna fanairana omaly, na ny LOKO MAITSO, androany Alakamisy 03febroary 2022 tamin'ny 10 ora maraina indray no tafiditra tao anatin'ny Filazàna manambana na ny LOKO MAVO "AVIS DE MENACE", ary rahampitso zoma atoandro Amoron'i Mania no tombanana hiditra ao anatin'ny Filazàna loza MILOKO MENA na loza mitatao.

Toy izao ary ireo FEPETRA Noraisin'ny teo anivon'ny Komity :

Araka ny toromariky ny Filoham-pirenena tamin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly dia tsy mianatra ny Mpianatra rehetra manerana an'i Madagasikara manomboka ny Zoma,

Tsy miasa ihany koa ireo Mpiasa rehetra efa ao anatin'ny Filazàna loza mitatao na LOKO MENA afa tsy ireo izay misahana "Fonctions Essentielles".

Hoan' ny Faritra Amoron'i Mania manokana dia natao androany ihany koa ny Fandaharana "MIARA-MANENTANA" niarahan'ny Tompon'andraikim-panjakana rehetra tamin'ny Radio rehetra eto an-toerana, ary tamin'ny alalan'izany Fandaharana izany no nanomezana avy hatrany ireo Toromarika rehetra hoan'ny Vahoaka.

Ka ireto no laharana azo antsoina Maika sy mandeha 24ora/24ora, izay laharan'ny Findain'ireo Tompon'andraikitra eo anivon'ny komity :

119 (laharana maitso, tsy mila manana fahana),
034 68 150 40,
034 27 070 00,
034 05 701 02,
034 31 573 98,
034 17 877 43,
034 89 625 20,
034 83 673 10.
(Azo antsoina hatrany ireo).

Hidina ihany koa ny eo anivon'ny Komity anio hijery ny Faritra iva rehetra hampiomana ny olona, hanentana ny fanapahana sy hanapaka mihitsy ireo hazo mandobolobo ahiana hitera-doza, hijery ireo andrinjiro sao misy efa manambana ho tapaka, hitety ny lalana atahorana hihotsaka, hanomana ireo "Sites d'hébergements" izay efa efa voahomana daholo ny isaky ny Kaominina sy ny sisa... (61 Kaominina ato amin'ny Faritra Amoron'i Mania).

Efa nantsangana androany rahateo ireo Vaomiera Telo (03) lehibe ato anaty Komity, na "Commissions" izany :
- COMMISSION "COMMUNICATION",
- COMMISSION "SÉCURITÉ ET SANTÉ",
- COMMISSION "LOGISTIQUE" izay itambaran'ny : Sakafo, Fitaterana, Solika, Tsihy, Labozia, sy ireo Fitaovana ilaina amin'ny Fiainana andavan'andro rehetra.

Ety amparanana dia manentana ny rehetra ny Governoran'i Faritra Amoron'i Mania, ramatoa Mamiarisoa Radaloson, mba samy ho mailo ary hiomana daholo, hanana Fitoniana koa anefa, ary indrindra mba hanaraka vaovao tsy tapaka sy ny toromarika rehetra.

Ny Fitondrampanjakàna, hoy hatrany izy, dia eo anilanareo Vahoaka lalandava. Mirary antsika rehetra ho lavitry ny loza, aza hadino ny Mivavaka indrindra hoan'ny Firenentsika, nentiny namarana ny teniny.

Tsy nisalasala izy nanome ny laharana findainy, raha misy ilana izany maika hoy izy, satria "MIASA FA TOMPON'ANDRAIKITRA" dia ny :
034 68 150 40,
033 33 150 40.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.