Sambo M/S Francia II : Tsy mbola hita ihany ny tompony ?

  • samedi, 29 janvier 2022 09:34

Iray volana mahery taorian’ilay loza an-dranomasina namoizana ain’olona am-polony maro tany Soanierana Ivongo iny dia tsy mbola misy filazàna ofisialy mikasika ny fisamborana ny tompon’ilay sambo M/S Francia II.

Nanjavona tsy hita popoka io olona io vantany vao nitranga iny loza mahatsiravina izay naningotra ny ain’olona maro sy manamboninahitra ambony roa iny.

Nanaovana fisaonam-pirenena iny voina lehibe iny ny tontolo andron’ny 23 desambra.
Toa zary adinodino anefa ny raharaha nampahonena iny noho ireo fahasahiranana misesisesy nitranga tato ho ato.

Na izany na tsy izany dia manana ny fahaiza-manao ny mpanao fanadihadihana malagasy.
Tsy ampy anefa ny fitaovana sy ny tetibola mifanandrify amin’ny asany.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.