Toamasina Renivohitra : Nahazo jiro cobra miisa 150 hanazavana ny tanàna sy lalampasika

  • jeudi, 27 janvier 2022 12:28
  • Sary nindramina

Notoloran’ny minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo ireo jiro Cobra mandeha amin'ny herinaratra miisa 150 ny tanànan’i Toamasina Renivohitra.

Ho entina hanazava ireo lalana miditra any anatin'ny tanàna sy lalampasika maro, izay azo lazaina fa faritra mafampana amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana no nisafidianan'Atoa Rakotonirina Nantenaina, Ben'ny tanàna hametrahana ireto cobra ireto.

Iraka manokan'ny Minisitra Andry Heriniaina Ramaroson tonga tao Toamasina nanolotra izany tamin’ny Ben'ny tanàna, ny talen’ny Kabinetran'ny minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo, Randrianaina Odon Marius.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.