Vonoan'olona teny Ivandry : Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ilay vazaha

  • mercredi, 26 janvier 2022 18:57

Any amin'ny Fonjan'i Tsiafahy aloha nanomboka ny Zoma 21 Janoary 2022, Atoa Loïc LARGE, no miandry ny tohin'ny fanadihadiana sy ho fitandroana ny ainy.

Ho fanajana ny lalàna iraisam-pirenena dia voafetra ny vaovao zaraina amin'ny vahoaka, araka ny nambaran'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) Antananarivo, Rtoa RAKOTOARIVONY Marie Annick, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky nanoloana ny mpanao gazety.

Tsy vaovao amin'ny Fitsarana intsony ity teratany vahiny, voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana ny Sekretera Jeneralin'ny "Union Emergence Madagascar" herinandro lasa.

Maromaro tokoa mantsy ireo raharaham-pitsarana maha voasaringotra azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanaovana taratasim-bola tsisy antoka. Izany no mahatonga azy eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana nanomboka ny volana Aogositra taona 2021.

Araka ny toromarika sy lalan-tsaina apetraky ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza ho an'ity taom-pitsarana 2022 ity, dia tarigetra ny "Fitsarana manakaiky vahoaka".

Koa manentana ny daholobe Rtoa Tonia Mpampanoa Lalàna eto anivon'ny TPI-Antananarivo, ny amin'ny tsy tokony hisalasalan'ny rehetra hanatona ny Fitsarana hitoroka momba ireo fandikan-dalàna misy eny anivon'ny fiaraha-monina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.