Voin-kava mahatratra : Fankaherezana ny Mpiray Tanindrazana avy amin'ny FIZAFATO

  • mercredi, 26 janvier 2022 17:29
  • Tahirin-tsary

Manoloana ny voina manerana ny Nosy sy ny Firenena malagasy amin'izao loza voa-janahary izao, ny Fikambanan'ny Zanak'Ampielezan'ny Faritany Toliara (FIZAFATO), izay tarihan'ny Kestora voalohany, eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe, HENRI Jean Michel, dia maneho ny fiaraha-miory amin'ireo namoy havana, mankahery ireo traboina.

Mankahery ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta iray manontolo,
Manentana ny vahoaka Malagasy hanaraka ny toromarika omen'ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, ary mampirisika ny mpiray Tanindrazana hitandro hatrany ny firaisam-pirenena sy andala ny Fihavanana ho fanampiana ireo sahirana.

"Soa ty Filongoa" hoy ny depiote HENRI Jean Michel.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.