Marolambo : Mitoka-monina tanteraka

  • mercredi, 26 janvier 2022 16:47
  • Sary nindramina

Isany mitondra takaitra noho ny andro ratsy ny Distrikan'i Marolambo, Faritra Atsinanana.

Toeram-pamokarana maro no dibo-drano. Tapaka ny lalana mampifandray amin'i Mahanoro. Manano sarotra ny fifamoivoizana an-dranomamy, zary mampitoka-monina an'i Marolambo.

Efa roa volana sy tapany izao no tsy misy jiro ny tanàna.
Miantso vonjy ny mponina, izay mahatsiaro ho zanak'ikalahafa tsy misy mpijery.

(Jereo Sary Tohiny)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.