Toaka gasy : 480 litatra avy any Tanambe Alaotra sarona tany Ampitambe Moramanga

  • jeudi, 13 janvier 2022 16:45
  • Sary nomena

Ny Zandary avy amin’ny Brigade de Police de la Route miasa any Tanambao Ampitambe, ao avaratr’i Moramanga amin’ny RN44, no nahatratra ny entana tsy ara-dalàna ny alin’ny 10 janoary.

Fiaran’ny kaoperativam-pitaterana KOFIMA niainga avy tany Tanambe Alaotra ho any Antananarivo no nitondra azy, araka ny nambaran’ny kapiteny Razafimamonjy Jean Richard, lehiben’ny Kaompanian’ny Zandarimaria ao Moramanga.

Baoritra miisa 16, nahitana tavoahangy miaty 1,5 litatra, miisa 30 avy, no hita tao anaty fitoeran’entana ambany taorian’ny fisavàna.

Nalefa nandeha aloha ilay fiara noho izy nitondra mpandeha iny alina iny.
Notanana kosa ny taratasy rehetra momba azy noho ny fisian’ny fanasaziana ara-panjakana tsy maintsy hampiharina aminy.

Entana nampitondraina izy ireo ka avy any Moramanga ny tompony, hoy ny zandarimaria.
Tonga niseho tany amin’ny biraon’ny zandary izy ny ampitso marainan’ny fahatratrarana ny fandikan-dalàna.
Natolotra ny fampanoavana izy ka voatana am-ponja vonjimaika taorian’ny famotorana noho ny tsy fandoavany ny lamandy.

Araka ny voatondron’ny lalàna dia nariana sy nodorana kosa ny toaka gasy 480 litatra, izay heverina fa misanda 4 tapitrisa Ariary mahery eo.

Nanantitrantitra ny kapiteny Razafimamonjy Jean Richard fa tsy mbola misy ny filazàna manome alalana ny fitaterana sy ny fivarotana toaka gasy eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Fandikan-dalàna ny tsy fanajana izany hoy hatrany ny kapiteny Razafimamonjy Jean Richard, sy amin’ireo zandary eo ambany fibaikoany.
Hentitra amin’ny fomba fiasa ity manamboninahitra iray ity eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.