Amboasary Gara (MLA) : Votsotra ilay vehivavy bevohoka nisy naka an-keriny

  • jeudi, 13 janvier 2022 16:44
  • Sary nindramina

Ny tompom-bady mihitsy no nampahalala tamin’ny alalan’ny Facebook fa dia avotra soa aman-tsara ny vadiny (izay mitondra vohoka) sy ny rafozany.

Ny talata 11 janoary 2022 no navotsotry ny andian-jiolahy izay naka an-keriny azy ireo, tany Somangana, atsinanan’Amboasary Gara (MLA), Moramanga, ny 30 desambra 2021 lasa teo.

Omaly alarobia 12 janoary dia nanamafy tato amin’ny Facebook ihany koa i Hasinah Rasoamalaza Tudy fa efa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviany izy.

Nandritra ny 11 alina sy 10 andro izy no teo am-pelan-tanan’ireo naka an-keriny, araka ny filazany.
Tsy salama izy, ary dia mbola mangata-bavaka, hoy hatrany izy.

Samy nisaotra an’Andriamanitra sy izay rehetra nitrotro am-bavaka sy nankahery ny fianakaviana noho ny sedra mafy nolalovany izy mivady.

Tsy misy fantatra kosa ny pitsopitsony manodidina ny fahafahan’ireo takalon’aina teny am-pelan-tanan’ny jiolahy.
Resaka mandeha no nilaza fa mitentina 130 tapitrisa ariary, izay nidina 100 tapitrisa ary niafara 95 tapitrisa ariary no notakian’ny mpaka an-keriny.

Voatery nivarom-pananana tsy satry ny fianakaviana mba hanangonana io lelavola io, araka ny feo niely tetsy sy teroa.
Mifamahofaho tanteraka ny resaka manodidina ity raharaha fakana an-keriny nitranga tany amin’ny distrikan’i Moramanga ity.

Siosion-dresaka no nandrenesana fa tany amin’ny faritra Anjozorobe no nanaterana ny vola mitentina 80 tapitrisa Ariary ho takalon’ny famotsorana ireo azo babo.

Misy ireo milaza fa olon-kafa no nokendren’ny jiolahy saingy izy ireo no sendra azy.
Ao indray ireo miteny fa noho ny fihetsik’ireo olona ireo izay toa somary tia misehoseho loatra angaha ka mahavelom-pialonana ny hafa.

Misy ihany koa ny mitatitra fa an-katoky ny fikasana hividy fiara vaventy ny fianakaviana no niely ny feo ka nanome sain-dratsy ny hafa.

Loharanom-baovao hafa no manipika fa miisa dimy ny olona nalain’ny jiolahy an-keriny tamin’iny 30 desambra iny.
Tany Somangana Amboasary Gara ny telo, raha tany Amboasary kely Bembary, avaratr’Amboasary Gara, kosa ny roa hafa.

Tsy nahazoana vaovao marim-pototra avy amin’ny tompon'andraikitra anefa izany.

Ny hany azo antoka dia nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Amboasary Gara, niaraka tamin’ny fokonolona ny andron’ny sabotsy voalohan’ity taona vaovao 2022 ity.

Efa saika nifanehatra tamin’ireo andian-jiolahy izay nizara roa ny mpanara-dia.

Tonga hatrany Andranokobaka, Kaominina Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka, mihitsy izy ireo tamin’izany.

Voalaza ankoatr’izay fa misy vehivavy sy mpitandro filaminana amperin’asa ao anatin’ilay fikamban’olondratsy mpaka an-keriny.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.