Abakabaka : Nandefa zanabolana 52 Starlink i SpaceX

  • dimanche, 09 janvier 2022 12:14
  • Sary nindramina

Miazakazaka ny Orinasa amerikanina SpaceX hametraka ireo zanabolana Starlink 12 000 momba ny fifandraisan-davitra, internet, alohan'ny taona 2025, eny amin'ny 100km miala ny tany, fanombohan'ny toerana hitsingevanana, na ny atmosfera faritra ambany.

Ny sabotsy 06 janoary 2022 ny sambondanitra Falcon 9 no nitondra ireo sandrahaka zanabolana 52, izay nalefa haka ny toerany avy.

Efa 1900 ny zanabolana voapetraka hatreto, ary manomboka maka ny toerany ny Orinasa SpaceX amin'ny fandraharahana momba ny internet.

Tsy mahafaly ireo mpanamory sambondanitra sasany anefa izany fiparitahan'ny zanabolana mameno ny abakabaka izany, izay miteraka loto sy mety ampitera-doza amin'ny fifandonana amin'ny sambondanitra.

Nilaza anefa i SpaceX ny hitondra teknolojia vaovao, ka afaka ampody ireo sambondanitra mpanosika sy mpametraka ireny zanabolana ireny.

Etsy ankilany ny firenena Sinoa ihany koa, tsy mipetra-potsiny amin'ity azakazaka an'abakabaka ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.