Ambovombe Androy : Manohy ny asa sosialy efa fanaony ny Kestora HENRI Jean Michel

  • lundi, 03 janvier 2022 19:19
  • Sary nomena

Tohin'ny asa sosialy izay fanaon'i Solombavam-bahoaka voafidy tao Ambovombe Androy, ny Kestora voalohany, HENRI Jean Michel, dia tokantrano maro indray, izay anatin'ny vahoaka tena sahirana ao amin'ny Fokontany Berary, no nozaraina sakafafo (Vary sy Laoka) tamin'ity fankalazana ny fahatongavan'ny taona vaovao 2022 ity, ka Vary 5kg sy hena no natolotro tamin'izany, mba ho fiarahana mifaly amin'ireo vahoaka.

"Adidiko sy hery lehibe ho ahy, hoy ny Depiote Jean Michel, ny manao izao, mba samy hanana ny anjara tandrifiny avy ny tsirairay amin'izao asara-manitra izao, ary miarahaba sy mirary soa antsika rehetra mba samy ho salama tsy harofy, hahita fahombiazana amin'izao taombaovao izao."

Nisaotra ireo solotenam-panjakana, izay tarihin'Atoa Governora Soja T Lahimaro, izay tsy mitarain-tana miempaka, fa miara misalahy manatanteraka izao fanampiana ny vahoaka izao, ny kestora ao amin'ny Antenimieram-pirenena, HENRI Jean Michel.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.