Fetin’ny taom-baovao : Banga 240 litatra ny toaka gasy
- lundi, 03 janvier 2022 18:12
- Sary nindramina
Tra-tehaky ny zandary any Moramanga, tao Ambodimanga, Sabotsy Anjiro, eo amin’ny PK 77 amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny ny alarobia faha-29 desambra teo, vao maraina be, ny toaka gasy 240 litatra.
Bidons miisa 12 nafenina teo anelanelan’ny gonin-katsaka sy kafe milanja 8 taonina avy any Vatomandry ireto zavapisotro mahamamo saika nikendrena ny fetin’ny taom-baovao ireto.
Nosamborina ny lehilahy iray avy any Manjakandriana, izay nitonona ho tompon’ny entana.
Notanana natao famotorana izy eo am-piandrasana ny fanolorana azy amin’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana.
Notanana sy nampidirina am-balampamonjana ihany koa ny fiarabe nitondra ny entana.
Marihina fa anisan’ireo misondro-bidy hatrany ihany koa ny toaka gasy izay miteraka tombony lehibe ho an’ny mpijirika ny famarotana azy.
Balita Raharisoa
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/vaovao/item/27514-fetin%EF%BF%BD%EF%BF%BD%EF%BF%BDny-taom-baovao-banga-240-litatra-ny-toaka-gasy.html#sigProGalleriadc2c5e59ef
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.