Kaominina Amboditandroroho Toamasina II : Nanao fitarainana eny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny fokonolona

  • vendredi, 10 décembre 2021 09:51

Nandefa taratasy fitarainana tamin'i Ramatoa Christine Razanamahasoa, filohan'ny Antenimieram-pirenena ny mponina, soloin'ny FIMPAMA tena, anairana azy ireo amin'ny tsindry ataon'ny Filatex amin'ny tany izay ny fokonolona no nanamasaka azy, rehefa lasa ny Colon naka ny tanindreo tamin'ny razandreo ny taona 1923.

Namafisin'ny FIMPAMA (FIKAMBANAN'NY MPAMBOLY MANAMBATSIO) ivondronan'ireto fokonolona izay efa nanajary ny tany, fa "Prescription aquisitive" teo anivon'ny Tribonaly no nahazoan'ny Filatex an-taratasy ny tany, nefa izay fomba fazahoan-tany izay, tsy maintsy olona efa nanamasaka sy nitoetra maharitra teo amin'ny tany, tsy latsaky ny 20 taona vao tokony hisitraka an'izany.

Ny Filatex anefa tsy nandingana ny toerana akory hatramin'ny naha teo azy, ary heverin'ireto fokonolona fa kolikoly no nahazoany izao taratasy izao, satria na indray maraina aza, tsy nisy sampan-draharahan'ny fananan-tany na ny Tribonaly nidina sy nanamarina tany an-toerana fa nonina mihoatra ny 20 taona teo an-toerana ny Filatex.

Rahateo mbola anarana Kaominina hafa no misoratra amin'ny "situation juridique", fa tsy ny Kaominina izay tena misy ny tany bodoany arovan'ny EMMO ankehitriny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.