Sarandalana : Tsy azo iodivirana ny fiakarany ho an’ny zotra nasionaly

  • mercredi, 24 novembre 2021 14:50

Andalana ny fampiharana ny sarandalana vaovao araka ny fampahafantarana nataon’ny CPCTRV/KMMTF, ivondronan’ireo matihanina amin’ny fitaterana olona an-tanety, tapabolana lasa izay.

Ny 22 novambra 2021 no nofaritan’izy ireo fa hampiharana ny sarandalana vaovao.

Nisantatra ny fampiharana izany ireo kaoperativa mitrandraka ny zotra nasionaly mandeha Vatomandry sy Mahanoro, Faritra Atsinanana.

Tsy azo iodivirana io fiakaran’ny sarandalana io ho an’ny zotra nasionaly, ary kajy mifototra amin’ny fandaniana solika manoloana ny haratsin’ny lalana sy ateraky ny fanamboaran-dalana, ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja fanolo no nitarika ho amin’izany, araka ny fanazavana teknika nataon’ireo mpandraharaha matihanina amin’ity seha-pitaterana olona ity.

Tsy mandà fifampiresahana amin’ny ministera mpiahy izahay hikatsaham-bahaolana, hoy ireo mpitatitra.

Nampahatsiahy anefa ireto farany fa mazava ny voalazan’ny lalàna faha 2004-053 tamin’ny 28 janoary 2005, momba ny politika ankapoben’ny fitaterana, ao amin’ny andininy faha-6 sy faha-9 mikasika ny andraikitra sy ny famaritana ny sarandalana, ka io no aoka hajaina toy ny efa natao tany aloha fa tsy hamorona na handray fanapahan-kevitra hafa mety hanakorontana na hiantraika amin’ny seha-pihariana hafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.