Kolikoly : Voaheloka higadra enin-taona an-tranomaizina ny Komandin’ny Brigadin’ny Zandary Sakaramy

  • mercredi, 24 novembre 2021 14:44

Enin-taona an-tranomaizina sazy mihatra. Izay no didy navoakan’ny Fitsarana tao Antsiranana, manameloka ilay Gendarme Principal de Classe Exceptionnelle, Komandin’ny Brigady na CB-n’ny Zandarimaria Sakaramy, Distrika Antsiranana-II, Faritra DIANA.

Telo ny vesatra niampangana azy dia ny firaisana tsikombakomba amin’ny fampidirana ambalam-pamonjana, fanararaotam-pahefana ary kolikoly.

Ny 13 novambra teo no niandohan’ny raharaha. Nifanena tamin’olona mandroaka omby miisa 17 avy any amin’ny Kaominina Mangaoko Distrika Antsiranana-II ny andiana zandary notarihin’ity lehibeny ity.

Ara-dalana avokoa ny taratasin'omby rehetra nanaovan'izy fisavana, saingy tsy namelan’ilay CB ny tompon'omby fa nitakiany ny karatra maha mpivarotra sy patanty. Nilaza ilay tompon'omby fa tsy mpivarotra omby izy fa mpiompy ihany.

Tsy nanaiky ilay CB fa nampidiriny ambalampamonjana na « fourrière » ireo omby miisa 17 ireo ary noterena handoa vola 2 600 000 Ariary ilay tompon'omby, ka ny 15 novambra 2021 no nifanarahan'ny roa tonta handohavana ilay vola.

Tezitra ilay tompon'omby ka nametraka fitarainana tany amin’ny BIANCO Antsiranana.
Nanaovan'ny BIANCO velapandrika, ka natao dika mitovy na « photocopie » ny vola 1 400 000 Ariary ho tahiry porofo raha amaly izy, ka nampanaterina ilay tompon'omby tao amin’ny biraon’ilay CB ny vola tena izy.

Rehefa nivoaka ilay tompon'omby dia niditra avy hatrany ny mpiasan'ny BIANCO Antsiranana ka nisambotra ilay zandary io.

Natao ny fanadihadiana tany amin’ny BIANCO ka natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Antsiranana ilay CB, ary notanana am-ponja vonjimaika taorian’izay.

Ny Alatsinainy 22 novambra 2021 teo ny Fitsarana ary nivoaka ny ampitso 23 novambra 2021 ny didim-fitsarana manameloka azy higadra enin-taona an-tranomaizina, sazy mihatra.

Efa lefitry ny komandin’ny Kaompanian’ny Zandarimaria Ambanja, avy eo Komandin’ny Brigady tany Agnaborano Ifasy, Distrika Ambilobe, ity zandary nidoboka am-ponja ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.