Raharaha « Volamena 73,5kg » : Navoaka tao am-ponjan’i Tsiafahy ny Tale iray tao amin’ny STA

  • mercredi, 24 novembre 2021 14:22
  • Tahirin-tsary nindramina

Tsy mbola tafaverina eto Madagasikara mandrak’ity ny androany ilay volamena 73,5kg nisy nanondrana an-tsokosoko ka tratra tao Johannesbourg Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020.

Tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ihany koa ireo Malagasy telo lahy, nitondra io volamena io ka voatazona atsy Afrika Atsimo.

Tsy mbola nisy raharaham-pitsarana nandeha mikasika ity raharaha ity. Ireo olona voatana am-ponja teto Madagasikara no manomboka mivoaka amin’izao.

Taorian’ny Tale jeneralin’ny ACM, dia lehilahy iray, izay Tale tao amin’ny Services et Transports Aériens na STA, ilay kaompaniam-pitaterana anabakabaka tsy miankina, tompon’ny fiaramanidina niondranan’ireo olona telo nitondra ny volamena 73,5kg nankao Johannesbourg indray koa izao no navoaka tao Tsiafahy, fonja nitazomana ireo lehilahy rehetra voarohirohy tamin’ity raharaha ity.

Efa herinandro teo izay no nivoahany, nahazo fahafahana vonjimaika.

Mbola anisan’ireo tavela ao Tsiafahy kosa ireo mpanamory roalahy nitondra ny fiaramanidina.

Efa niverina eto Madagasikara ihany koa ilay vazaha tompon’ily orinasa STA, rehefa nialokaloka tatsy amin’ny nosy rahavavy tao anatin’ny fotoana nampamaivay ity raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.