Antsalaka - Antsiranana II : Mpivady novonoina tamin'ny fomba feno habibiana

  • jeudi, 04 novembre 2021 12:41
  • Sary nindramina

Nanomboka tamin'ny 21 oktobra 2021 no nahatsikaritra ny tsy fahitana azy ireo tao Morafeno ny fianakaviany. Ny harivan’io dia tonga nampandre ny zandary ao amin’ny Poste Fixe Antsalaka.

Ny apitson’io dia roso ny fikarohana, hay nalevin'ireo tsy matahotody tamina lavaka efa ho 30 metatra izy mivady.
Efa andalam-pahasimbana ny razana. Tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa nisy ratra, izany hoe novonoina aloha, avy eo nodorana, dia nototofana fotaka taorian’izay.

Ny alika nompian'izy mivady nihaodihaody tsy nety niala teo amin'ny manodidina ilay lavaka no nahalalana fa tao no nandevenana azy ireo.

Very ny akoho aman-jatony sy vary akotry tamin'ny bidon maromaro an'izy mivady ireto.

Ny roa tamin'ireo mpamono ireo efa tratra nangalatra akohon'izy mivady tamin'ny volana septambra fa natao raharaham-pihavanana. Nampandoavina vola. Voaloa ny ampahany, saingy io 21 oktobra tsy nahitana azy ireo io no tokony nanefana ilay ambiny.

Nony hita ny fatin'izy ireo dia nikasa hitsoaka ireo olona ireo.

Olona miisa valo no voasambotra, voarohirohy amin’ity raharaha ity, ary efa natolotra Fampanoavana tao Antsiranana. Mbola misy olona hafa karohina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.