Rakotomalala Lucien : Nasitrika tany Befandriana Sud ny taolambalon’ity depiote IRD ity

  • mardi, 26 octobre 2021 20:03
  • Sary nindramina

Nodimandry ny talata 7 jolay 2020, vanimpotoana nampamaivay ny valanaretina Covid-19, i Rakotomalala Lucien dit «Le Fomela», solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

Voalaza fa nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Talohan’ny nifaranan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy, saingy tsy tana ny ainy.

Nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra Facebook ny fianakaviany fa ho tanterahina ny zoma 22 oktobra 2021 eny Ambohijanaka Imerimanjaka – Antananarivo Atsimondrano ny fitondrana ny taolambalony hiazo ny tanindrazany any Befandriana Sud.

Vita androany talata 26 oktobra 2021 ny fanitrihana ny razana, natrehan'ny fianakaviana sy ireo mpitondra fanjakana maro, notarihan'i Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Tinoka Roberto, sady coach faritra atsimo, iraka manokan'ny Filoham-pirenena, ny Solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe, sady Kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavambahoaka Idealson, voafidy tao Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, no Mpitsara ao amin'ny Fitsarana avo HCJ.

Nitondra ny teny fampihononana sy fankaherezana ny fianakaviana ny minisitra Tinoka Roberto, avy amin'ny Filoham-pirenena, ny fitondram-panjakana sy ireo namana rehetra niaraka tamin'ny Tompokolahy deputé Lucien, ary nanolotra ny fandraisana anjara amin'ny fiaraha-mizaka ny fahoriana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.