Faritra Atsinanana : Fanamboaran-dalana amin'ny alalan'ireo engins avy amin'ny filohampirenena

  • lundi, 18 octobre 2021 20:07
  • Sary nomena

Nataon'ny Goverinora RAFIDISON Richard laharam-pahamehana ny fanatsarana ireo lalana mampitohy ny toeram-pizahantany.

Vita tanteraka ny lalana mampitohy ny RN2 amin'ny tanànan'ny Manambato, ka vokatr'izany dia hisitraka tosika sy tantsoroka avy amin'ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny Faritra Atsinanana ireo mpandraharaha ara-pizahantany any an-toerana, ka ho hisy amin'io "vacances de Toussaint " ho avy io ny tolotra fihenambidy ahafahana miala sasatra sady mijery ny hakanton'ny Canal de Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, ary ny ao amin'ny Akanin'ny nofy.

Vita latsaky ny 30 minitra ny lalana amin'izao raha adiny iray sy sasany teo aloha ny lalam-pirenena faharoa mihazo ny village touristique MANAMBATO (Canal des Pangalanes, lac Rasoabe, lac Rasoamasahy, Akanin'ny nofy).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.