Mpiasa mpamono valala : Sady tsy misitraka tambinkarama no mbola mahazo fandrahonana

  • lundi, 18 octobre 2021 08:12
  • Sary nindramina

Velon-taraina ireo mpiasa mpamono valala eto Madagasikara, saika manerana ny Nosy, fa nanomboka tamin'ny 2019 ka hatramin'izao, hoy izy ireo, tsy mba nisitraka tambinkarama na dia efa mihatra aman’aina aza ny asa.

Valinteny an’avona toy ny hoe : “alaivo any amin'ny mpintantana teo aloha” no azon’ny mpiasa avy amin’ny mpitantana raha mba mangata-panazavana ny amin’ny zon’izy ireo hisitraka tambinkarama io, ary miampy fandrahonana sy sazy izay efa mihatra amin'ny mpiasa sasantsasany amin'izao fotoana izao .

Nivoitra tamin’ny tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 oktobra 2021 teo fa mivoatra miharatsy ny fisian’ny andiam-balala eto Madagasikara ary ahiana hirongatra mihitsy aza satria manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahazo ny any amin’ny faritra Atsimo.

Faritra manodidina ny 400 000 hektara no efa tandindomin-doza ankehitriny, ka ilaina ny mandrava haingana ny mety ho fipoiran’ny andiam-balala indray, mialoha ny fotoanan’ny orana 2021/2022, indrindra amin’izao vanim-potoana tsy mampirongatra azy izao mba hanaperana izany krizy amin’ny andiam-balala izany.

Ho fifehezana tsara ny fisian’ny andiam-balala, ny fanakanana haingana ny fanatodizana na « stade larvaire » any amin'ny toerana saro-dalana sy ny fanentanana ary ny fametrahana mialoha ny fanampiana rehetra ilaina amin’izany, alohan'ny fanombohan'ny fotoanan'ny orana no zava-dehibe indrindra.

Mandritra ity fotoanan’ny ady amin’ny andiam-balala 2021-2022 ity, dia ny 90%-n’ny velaran-tany voakasika no kasaina hanatanterahana izany, izany hoe 360 000 hektara ; hiroso amin'ny fividianana fitaovana sy fampitaovana noho izany ny FAO na ny sampan’ny Firenena Mikambana momba ny fambolena sy ny sakafo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.