RN44 Amboasary – Vohidiala : Misy fahatarana ny asa fanamboarana

  • dimanche, 17 octobre 2021 20:07
  • Sary nindramina

Mandeha ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 (Amboasary - Vohidiala) saingy miaiky ny rehetra fa misy ny fahatarana.

Nidina nijery ny fizotry ny asa tany an-toerana ny Minisitry ny Asa vaventy Hatrefindrazana Jerry sy ny Tale jeneraly misahana ny tetikasan'ny Filoham-pirenena Augustin Andriamananoro sy ireo mpiara-miasa aminy, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny alahady 17 oktobra 2021.

Nanome toromarika ny Minisitra fa tokony ho vitaina araka ny fenitra sy ny kalitao ao anatin'ny fotoana voasoratra ao amin'ny bokin'andraikitra ny asa. Nanome toromarika ny orinasa manao ny lalana ny tenany mba hanampy ireo fitaovana ampiasaina hitsinjovana ireo mpampiasa lalana amin’ny fahavaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.