Antalaha :Oratsimba miisa 37 no sarona ary nogiazana

  • dimanche, 17 octobre 2021 16:21
  • Sary nindramina

Oratsimba (langoustes) miisa 37 no sarona ary nogiazana tao Anjiamangotroka Kaominina ambonivohitra Antalaha ny 14 Oktobra 2021. Fiaraha-miasan’ny sampandraharaham-paritry ny jono sy ny toekarena manga ao SAVA sy Polisim-pirenena any Antalaha no nahazoana ny vokatra.

Mbola mikatona ny fanjonoana oratsimba ao anatin’ny Faritra SAVA ny 01 Oktobra ka hatramin'ny 31 Desambra 2021.

Nomena ny fikambanana KALA sy Orchidée mitaiza zaza sembana sy sahirana ao Antalaha ireo oratsimba taorian’izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.