Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Olana tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara

  • dimanche, 17 octobre 2021 12:53

Olana tsy mitsaha-mitombo eto Madagasikara ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary sy ny kolikoly mifandraika amin'izany. Araka ny filazan'ny TRAFFIC dia sokatra maherin'ny 21 000 no tratra teto Madagasikara mandritra ny fikasana hanondrana an-tsokosoko, teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2021.

Misy ankehitriny ny tetikasa vaovao maharitra telo taona mitentina 3,4 tapitrisa dolara izay natomboky ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), sy amin'ny anaran'ny vahoaka amerikana, ny 15 oktobra, hamahana ireo olana tsy mitsaha-mitombo eo amin'ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary sy ny kolikoly mifandraika amin'izany.

Ny World Wildlife Fund (WWF) no lohalaharana mitarika ny tetikasan’ny governemanta amerikana Counter Corruption and Wildlife Trafficking (Ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary ) izay vatsian’ny USAID vola, ary ahitana mpiara-miombona antoka maro toy TRAFFIC International, Transparency International Initiative Madagascar, ary Alliance Voahary Gasy.

Hiara-miasa akaiky amin'ny Ministeran'ny Fitsarana sy ny Ministeran'ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovainjafy ny tetikasa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.