Analamanga Park : Nisokatra indray rehefa nikatona aman-taonany

  • dimanche, 17 octobre 2021 12:44
  • Sary nindramina

Nasiam-panitarana sy nohavaozin'ny Faritra Analamanga tanteraka ity toeram-pitsangatsanganana ity, izay efa nikatona mihitsy teo aloha.

Maro ny foto-drafitrasa vaovao natsangana sy fialam-boly azo tanterahina ao an-toerana. Anisan'izany ny kianja fanaovana fampisehoana, ny toeram-pisakafoana, ny efitra fandraisam-bahiny, ny kianja filalaovana baolina kitra, ny basket ary ny volley-ball, ny tokontany filalaovana tsipy kanetibe, ny dobo filomanosana. Misy ihany koa ny toeram-pivarotana vokatra sy entana voafantina ary ny kilalao ho an'ny ankizy.

Niverina nisokatra ny sabotsy 16 oktobra 2021 ny Analamanga Park, ho tosika amin'ny fizahantany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.