Rakotomalala Lucien : Hofongarina hoentina any Befandriana Sud ny taolambalon’ity depiote IRD ity

  • mardi, 12 octobre 2021 16:18
  • Sary nindramina

Nodimandry ny talata 7 jolay 2020, vanimpotoana nampamaivay ny valanaretina Covid-19, i Rakotomalala Lucien dit «Le Fomela», solombavambahoaka IRD voafidy tao amin’ny Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

Voalaza fa nanana areti-mitaiza sohika ity parlemantera ity. Talohan’ny nifaran’ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena izy no efa tsy salama, ary tsy tonga niatrika fivoriana intsony. Tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no nitsaboana azy, saingy tsy tana ny ainy.

Nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tambazotra Facebook ny fianakaviany fa ho tanterahina ny zoma 22 oktobra 2021 eny Ambohijanaka Imerimanjaka – Antananarivo Atsimondrano ny fitondrana ny taolambalony hiazo ny tanindrazany any Befandriana Sud, ary hatao ny 26 oktobra 2021 ny fanitrihana ny razana.

Tsiahivina fa herintaona katroka talohan’io nahafatesan’i Rakotomalala Lucien io, 7 jolay 2019, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra na CAN 2019 natao tany Ejipta, no nindaosin’ny fahafatesana tampoka teo ampijerena lalaon'ny Barea tamin'ny fahitalavitra i Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite, depiote taloha voafidy teny Atsimondrano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.