Maroantsetra : Haniry bozaka tsy mety vita ireo lalana nampanantenaina

  • dimanche, 10 octobre 2021 16:48
  • Sary nindramina

Nampanantena lalana rarivato ny Governoran'ny Faritra Analanjirofo, asa tokony novitaina roa volana.

Nampanantena ihany koa ny minisitra Hajo Andrianainarivelo fa hanamboatra lalana ao Maroantsetra tampon-tanana, amin'ny volan'ny Tahiry fikojana ny lalana (FER).

Orinasa an'ny Senatera iray amperinasa no nahazo ny tsenan'asa ho an'ity farany. Nisy fandravana tranon'olontsotra.
Zara fa nanomboka ny asa dia nikatso teo, efa amam-bolana maro izao. Efa haniry bozaka aza ny sasany, ary vao maika feno lavadavaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.