Fianarantsoa : Hanorenana "Coliseum"

  • dimanche, 10 octobre 2021 13:43
  • Sary nindramina

Hisitraka tetikasa "Pôle urbain" ny tanànan'i Fianarantsoa, renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony.

Hisy fanorenana lalan-dehibe na "Avenue", toeram-pivarotana isan-karazany, ary kianja "Coliseum" ao Ambatomena, araka ny fampanantenana nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny mponin'i Fianarantsoa.

Hisy toerana fitsangatsanganana toy ny zaridaina lehibe sy ny “esplanade” ao amin'io toerana io. Hapetraka eo ihany koa ny biraom-panjakana isan-tsokajiny sy izay rantsa-mangaikan'ny Ministera rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.