Polisim-pirenena 60 taona : Kihon-dalana hanehoana ny fomba fiasa vaovao

  • vendredi, 01 octobre 2021 10:07
  • Sary nindramina

Nankalaza ny faha 60 taonany ny alakamisy 30 septambra 2021 ny Polisim-pirenena. "Polisim-pirenena Miaro sy manampy ny vahoaka" no lohahevitra nanankinana ny fankalazana. Nomarihina tamin'ny fitokanana Tsangambato tetsy Anosy izany.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Praiminisitra lehiben'ny governementa, Ntsay Christian. Nanambara ity farany fa manan-danja eo anivon'ny vahoaka Malagasy ny Polisim-pirenena. Betsaka, hoy izy, ny asa vita ary mbola betsaka ny miandry.

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, kosa nilaza fa kihon-dalana hanehoana ny fomba fiasa vaovao ny faha 60 taonan'ny Polisim-pirenena . Anisan'izany ny fanehoana ny fahaiza-manao sy ny toe-tsaina lavitry ny kolikoly.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.