Nianjera tamin’ny moto : Tovolahy iray mpianatry ny oniversite namoy ny ainy

  • jeudi, 30 septembre 2021 14:05
  • Sary nindramina

Nindaosin'ny fahafatesana ny alarobia 29 septambra 2021 maraina i Romialdo, iray tamin'ireo mpianatry ny oniversite Antsiranana, niharan-doza tamin’ny moto ny alin’ny 10 septambra 2021 rehefa nody avy tany Ramena.

Roalahy izy ireo, nanao taingin-droa no tra-doza. Efa tsara ka efa nivoaka hopitaly ny alatsinainy maraina teo ny iray. Nalefa maika notsaboina teto Antananarivo i Romialdo no izao nodimandry izao, na natao aza ny ala nenina rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.