Niherenana- Vatomandry : Renim-pianakaviana namoy ny ainy niharan’ny fanolanana

  • lundi, 20 septembre 2021 13:29
  • Sary nomena

Nandeha naka ravim-bomanga tany an-tsaha no nivoahana ny trano, vatana mangatsiaka no hitan’ny fianakaviany.

Tao Mahalina Fokontany Lomboka, Kaominina Niherenana Distrika Vatomandry, no niseho ity heloka bevava ity, ny 16 septambra 2021 lasa teo.

Nandeha naka ravim-bomanga tany an-tsaha no nivoahany ny trano io andro io, tokony tamin’ny 10 ora maraina. Tsy niverina anefa izy dia gaga ny vadiny, lalana efa fandehanany rahateo no nakan’ilay ramatoa ravim-bomanga io.

Rehefa nitady azy ny vadiny tokony mitatao vovonana teo dia efa vatana mangatsiakan’ilay ramatoa mihoson-dra sady miboridana ny tapany ambany no hitany.

Tombanana ho niharan’ny fanolanana ilay ramatoa, ary tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy.

34 taona ilay ramatoa, ary efatra ny zanany ka vavikely 16 volana ny farany.

Nitondra ny raharaha teo anivon’ny Zandarimaria Vatomandry ny fianakaviana hikarohana ny tompon’antoka tamin’izao habibiana izao sy hahitana ny marina.

Efa nisy andian’olona tratra ary anatin’ny famotorana amin’izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.