Beronono Ambavatapia (RN7) : Fiara sy mpandeha maro no norobain’ny jiolahy

  • dimanche, 19 septembre 2021 13:45
  • Sary nindramina

Nisy andian-jiolahy nametraka sakan-dalana teo Fandrianjato Beronono Ambavatapia, avaratr’Ambositra amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny alin’ny alahady 18 septambra 2021.

Amam-polony ireo jiolahy, sady mitam-basy no nampiasa zava-maranitra. Poa-basy sy tora-bato no niantefa tamin’ireo fiara tsy afa-niala tao anaty sakana.

Nasesin’ireo jiolahy norobaina ireo fiara. Vola aman-tapitrisa, firavaka, finday niampy izay entana nentina no lasan’ireo jiolahy. Samy voaroba na ny mpandeha na ny mpamily. Maro ireo fiara vaky fitaratra.

Nisy zandary ihany niara-dia tamin’ireo tandavana fiara nanao lava alina, saingy tsy nahatohitra ireo andian-jiolahy.

Nizotra niakatra vohitra, niantsinanana ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana.

Antsasak’adiny taorian’izay no tonga ny andiana mpitandro filaminana nanome tanana sy nandamina ny fifamoivoizana satria samy nirifatra nanavotr’aina avokoa ny rehefa rehefa nilamindamina teny an-toerana.

Lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana tao Menabe Lovainjafy, Kaominina Ambohimpihaonana, Distrika Ambatolampy, ihany koa ireo fiara mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny alin’ny 18 septambra 2021.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.