Imerintsiatosika : Natolotry ny filoha ny fonja manarapenitra

  • samedi, 18 septembre 2021 12:02
  • Sary nindramina

Ny fonja naorina eto Imerintsiatosika no fonja voalohany eto Madagasikara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy manaraka ireo fepetra rehetra amin'ny fanajana ny zon'olombelona. Natolotra amin'ny fomba ofisialy ny zoma 17 septambra 2021 izany fotodrafitrasa lehibe izany teo ambany fiahian'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Hahazaka voafonja miisa hatramin'ny 800 ity fonja eto Imerintsiatosika ity ary natao hitazomana ireo olona nahavita heloka bevava sy ireo sokajiana ho "dangereux" ho an'ny fiarahamonina.

Ankoatra ireo trano fatorian'ireo voafonja dia hita ao an-toerana ihany koa ny trano fisakafoanana iombonana, ny efitra fidiovana sy fivoahana ary indrindra ny "parloirs" natokana hifampiresahan'ireo mpamangy amin'ireo voafonja.

Voaaro sy tsara ambina tanteraka ny faritra rehetra eto amin'ity fonja eto Imerintsiatosika ity ary misy ireo "cameras de surveillance" manara-maso ny anatiny sy ivelany mandritra ny fotoana rehetra.

" Tsy tokony ho toerana fanasaziana fotsiny ny fonja fa tokony hanarenana sy hanitsiana ny olona diso lalana mba ho olom-baovao izy ireo rehefa miverina eo anivon'ny fiaraha-monina", hoy ny Filoha Andry RAJOELINA. Araka izany dia hohavaozina ihany koa ny fomba fitantanana sy fandraharahana eo anivon'ny fonja manerana an'i Madagasikara. Hampianarina sy hampiofanina amin'ny karazana asa amin'ny sehatra samihafa, toy ny fambolena, ireo voafonja.

Notronin'Atoa Imbiky Herilaza, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana moa ity fanolorana ny fonja ity.

Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Filohan'ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa, niaraka tamin'ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Pierre Houlder RAMAHOLIMASY, ary ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Fonja.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.