Akademia Miaramila Antsirabe : Namoaka manamboninahitra miisa 69 mianadahy

  • samedi, 31 juillet 2021 19:32
  • Sary nomena

Tontosa ny 30 jolay 2021 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2021 namoahana manamboninahitra miisa 69 mianadahy.

Mitondra ny anarana “Général de Corps d'Armée Ismaël Mounibou" ity andiany mivantana faha 42 ity.

Miisa 62 kosa ireo hisantatra ny fiofanana ho manamboninahitra izay handrafitra ny andiany faha-44 izay misalotra ny anarana "Amiral Ratsiraka Didier Ignace".

Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe ny Filoham-pirenena sady Filoha Faratampon’ny Foloalindahy. Niarahaba manokana ireto manamboninahitra avy amin'ny andiany faha 42 izay nahavita ny fianarany ireto, ny Filoha Andry Rajoelina.

Ity no fisehoana ampahibemaso voalohany ny filoham-pirenena taorian’ny nivoahan’ny raharaha fifoana ny ainy roa herinandro lasa izay.

Nampatsiahiviny tamin'ireto mpianatra manamboninahitra ireto fa " ny Foloalindahy no miaro ity Tanindrazantsika ity amin’ireo fahavalo, na avy any ivelany na avy ato anatiny, izay mikasa sy mitetika ny hanao ratsy, ny hanakorontana, ny handrava sy handrodana na hanitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena Malagasy, ny Tanindrazantsika sy ny soatoavintsika".

Ankehitriny, hoy hatrany ny Filoha, dia miova ihany koa ny ambana izay miandry ny Foloalindahy ka tsy maintsy mandray andraikitra feno, miatrika izay rehetra mety hanohintohina ny fiandrianampirenena sy ny filaminana ireto manamboninahitra vaovao hanatevin- daharana ny Foloalindahy Malagasy ireto.

Notokanana taorian'ny lanonana Fandresena 2021 ny "Amphi-Tactique". Efitrano fianarana izy ity, izay navaozin'ireo mpianatra manamboninahitra andiany mivantana faha 42, natokana amin'ny fampianarana tetikady ho an'ireo mpianatra eto anivon'ny Akademia Miaramila alohan'ny hidinan'izy ireo eny an-kianja.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.