Betatao-Anjozorobe: Jiolahy mpaka an-keriny matin’ny fitsaram-bahoaka

  • mercredi, 28 juillet 2021 20:52
  • Sary ZP

Lehilahy iray, izay voarohirohy tamin'ny tranga fakana an-keriny ny 03 may 2021 no naterin’ny Fokonolona an-jatony, niaraka tamin'ny miaramila DAS avy ao amin'ny fokontany Ambohimiarina, tao amin’ny Tobin-janaparitra Betatao ny 27 jolay 2021 vao mangiran-dratsy.

Tsy niala tao Betatao ireo Fokonolona ireo fa niandry tany an-toerana na dia efa voaray tao amin'ny tobin-jandary aza ilay lehilahy.

Niahiahy ny mety hisiana fitsaram-bahoaka ny lehiben'ny Toby ka dia nitondra niala ny tanàna io lehilahy hamonjy an'Anjozorobe vao mangiran-dratsy, mba haterina any amin'ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava ao Fiadanana Antananarivo, izay misahana ny famotorana.

Nony teny an-dalana sahabo ho 05km niala ny tanàn'i Betatao anefa dia nisy andian'olona maro nanao fisavana mpandeha, ary rehefa nahita azy ireo ilay lehilahy haterina dia nirifatra nandositra ka nifanenjehin'ireo andian'olona maro nanao fisavana.

Tsy afaka nampiasa ny fitaovana mba hiarovana ny ain'io olon-dratsy io ireo Zandary nanatanteraka iraka fa sao mahatifitra olona tsy manan-tsiny.

Tsy lasa lavitra dia voasambotr’ireo Fokonolona ilay lehilahy ka dia nihararan'ny kapoka sy vono, izay nitarika ny fahafatesany teo no eo.

Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity izay iandreketan'ny vondron-tobimparitra Imerina Centrale.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.