Faritra Androy : Fizarana tambin-karama 9 volana ho an’ireo Filoham-pokontany sy lefiny

  • mercredi, 28 juillet 2021 20:46
  • Sary : Faritra Androy

Natomboka androany tao Ambovombe, renivohitry ny Faritra Androy, ny fizarana tambin-karama 9 volana an'ireo filoham-pokontany sy lefiny miisa 926 ao anatin'ny Kaominina 8 manodidina an'Ambovombe. Hitohy hanerana ny Faritra Androy manontolo izany.

Nisy ihany ny fanomezana vary 10kg isam-pokontany ho fiahiana ireo sefom-pokontany ireo.

Fiaraha-miasa teo amin'ny Goverinoran'ny Faritra Androy, Dr Soja Lahimaro sy ny kestiora voalohany ao amin'ny Antenimieram-pirenena sady solombavam-bahoaka voafidy tao Ambovombe, Henri Jean Michel no nahazoana izao vokatra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.