Fitsarana Toamasina : Nahazo Tonian’ny Fampanoavana vaovao ny Fitsarana ambaratonga voalohany

  • dimanche, 18 juillet 2021 14:04
  • Sary : Governoran’ny Faritra Atsinanana

Tontosa ny zoma 16 jolay tany Toamasina ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana ny Tonian’ny Fampanoavana vaovao eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Toamasina, Rasamitiana Ladislas.

Ankoatra ireo olom-panjakana ambony sivily sy miaramila any an-toerana, nahitana ny Governora faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore, ny Solombavambahoaka, ny Ben'ny tanàna, dia tonga nanome voninahitra ny fotoana ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona Imbiky Herilaza, izay Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fitsarana teo aloha ihany koa.

Balita Raharisoa

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.